Galatians 3

1Ry Galatiana Adala! Iza no namosavy anareo? Teo imasonareo indrindra no nanehoana an’i Jesosy Kristy voahombo. 2Izao ihany no zavatra tiako ianarana aminareo: Nandray ny Fanahy tamin’ny asan’ny lalàna sa tamin’ny finoana izay renareo ianareo? 3Adala tokoa ve ianareo? Niatomboka tamin’ny Fanahy ianareo, dia hiafara amin’ny nofo ve ankehitriny?

4Moa niharitra zava-maro tamin’ny tsy misy dikany ve ianareo_ fa raha tena zava-poana tokoa ary izany? 5Moa ve izy izay manome ny Fanahy anareo sy manao asa mahagaga eo aminareo dia manao izany izany amin’ny asan’ny lalàna, sa amin’ny fihainoana amin’ny finoana?

6Tahaka an’i Abrahama “nino an’Andriamanitra ary nisaina ho fahamarinany izany,” 7dia tahaka izany, fantaro, fa ireo izay amin’ny finoana dia zanak’i Abrahama. 8Ny Soratra Masina, nahita mialoha fa Andriamanitra hanamarina ireo Jentilisa amin’ny finoana, dia nitory ny filazantsara mialoha tamin’i Abrahama, niteny hoe: “Avy aminao no hitahiana ny firenena rehetra.” 9Koa, ireo izay amin’ny finoana dia voatahy miaraka amin’i Abrahama, ilay olon’ny finoana.

10Ireo izay miankina amin’ny asan’ny lalàna dia eo ambanin’ny ozona; fa voasoratra hoe: “Voaozona izay rehetra tsy manaiky ny zavatra rehetra voasoratra ao anatin’ny bokin’ny lalàna, sy manao ireny.” 11Ankehitriny dia mazava fa tsy misy olona izay hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny lalàna, satria ny marina dia ho velona amin’ny finoana. 12Fa ny lalàna dia tsy araka ny finoana, fa kosa, “Ny olona izay manao ny asan’ny lalàna dia tsy maintsy velona amin’ireo”.

13Kristy nanavotra antsika tamin’ny ozon’ny lalàna tamin’ny nahatongavany ho ozona ho antsika— fa voasoratra hoe: “Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo” _ 14mba ho tonga amin’ny Jentilisa ny fitahian’i Abrahama ao amin’i Kristy Jesosy, mba ho amin’ny finoana no ahazoantsika ilay fampanantenan’ny Fanahy.

15Ry rahalahy, avelao aho hiteny araka ny fanaon’ny olona. Ao amin’ny fifanarahana ataon’ny olona, tsy misy afaka manafoana na manampy izay ao, rehefa tafapetraky ny lalàna izany. 16Ary ireo fampanantenana dia nolazaina tamin’i Abrahama sy tamin’ireo taranany. Tsy milaza izany hoe: “ho an’ny taranaka,” manondro olona maro, fa kosa olona iray ihany, “ho an’ny taranakao,” dia i Kristy.

17Ary izao no tiako ho lazaina: “Ny lalàna, izay tonga telo-polo sy efa-jato taona taty aoriana, dia tsy hahafoana ny fanekena izay efa napetrak’Andriamanitra mialoha. 18Fa raha avy amin’ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin’ny fampanantenana intsony izany. Fa Andriamanitra nanome izany an’i Abrahama tamin’ny alalan’ny fampanantenana.

19Inona, ary, ny tanjon’ny lalàna? Nasiana izany noho ireo fandikan-dalàna, mandra-pahatongan’ny taranak’i Abrahama eo amin’izay nanaovana ny fampanantenana. Ny lalàna dia nataon’ny mpanalalana iray ho manan-kery tamin’ny alalan’ny anjely. 20Fa ny mpanalalana dia midika olona mihoatra ny iray, kanefa Andriamanitra dia iray.

21Moa ve ny lalàna manohitra ireo fampanantenan’Andriamanitra? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna nomena izay afaka manome fiainana, dia avy tamin’ny lalàna tokoa ny fahamarinana. 22Fa ny Soratra Masina nanagadra ny zava-drehetra ambanin’ny fahotana. Nanao izany Andriamanitra mba hanomezana ho an’ireo mino ny fampanantenana ny hanavotana antsika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy.

23Ary talohan’ny ny nahatongavan’ny finoana, isika dia notazonina ho babo tao ambanin’ny lalàna, nogadraina mandra-pisehon’ny finoana. 24Koa avy eo ny lalàna dia lasa mpiambina antsika nandra-piavian’i Kristy, mba ho voamarina amin’ny finoana isika. 25Fa izao dia tonga izany finoana izany, ka tsy eo ambanin’ny mpiambina intsony isika. 26Fa ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra ao amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy.

27Fa maro aminareo izay natao batisa tao amin’i Kristy, no nandray an’i Kristy. 28Ary tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na olon’afaka, na lahy na vavy, fa iray ihany ianareo ao amin’i Kristy. Koa raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama, sy mpandova araka ny fampanantenana ianareo.

29

Copyright information for PltULB